Minisiteran’ny Fitsarana : “Fandikan-dalàna ny fitsaram-bahoaka ka melohina”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Navoitran’izy ireo, tamin’izany, ny momba ilay ”Raharaha tany Maintirano”.

“Araka ny lalàna velona sy manankery eto amin’ny tany sy ny fanjakana, tsy azo heverina ho meloka ny olona iray raha tsy efa nisy fanadihadiana sy fanangonana porofo feno, ary notsarain’ny fitsarana mahefa”. Io ny fanambaran’ny ta­len’ny serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, Ramanana Onitia, omaly. Manoloana ny trangana fitsaram-bahoaka avy hatrany tany Maintirano, faritra Melaky, ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny tsy fahitana ilay vehivavy nanao Cash point; avy eo, hita faty izany. Nahatonga ny olona nanao fandoroana velona izay voarahirohy tamin’ izany na efa teny an-tanan’ny mpitandro filaminana aza. Ny fanadihadiana sy fanangonana porofo feno no antoka hisorohana ny fanamelohana mifototra amin’ny tondro molotra na fiampangana tsy voaporofo.

Fisaka ny marina…

“Noho izany, fandikan-dalàna ny fitsaram-bahoaka ka melohina tsy misy fepetra”, hoy ny fanambarana. Fisaka ny marina ka sarotra tadiavina. Natokan’ny lalàna ho andraikitr’ireo mpitandro filaminana sy ny mpitsara izay nahazo fiofanana manokana ny fanaovana famotorana sy ny fanapahana sazy. Ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra sy ny fifampitokisana mba hisorohana ny tranga mampalahelo tahaka izany sy hiantohana ny fandrimpahalemana. Ny fi­tsarana dia mijoro mandrakariva ho andry iankinan’ny fandaminana ny fiarahamonina ao anatin’ny fanjakana tan-dalàna. Maneho ny fiaraha-miory lalina amin’ireo fianakaviana sy ireo rehetra niharam-boina voakasiky ny tranga mampalahelo ny minisiteran’ny Fitsarana.

R. Nd.  

Partager sur: