Momba ny filoha teo aloha, Rajoelina : Hodinihina eny amin’ny Antenimierampirenena

« Hodinihina mandritra ny fivoriana parlemantera tsy ara-potoana ny momba ny fitantanan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry », hoy ny filohan’ny Antenimie­rampire­ne­na, Randrianasoloniaiko Site­ny, omaly, teny Tsimbaza­za. Nohamafisiny fa efa nandalo fankatoavan’ireo solombavambahoaka ny hanaovana fanadihadiana parlemantera momba izany ary efa nanaiky izany avokoa ireo depiote, mpanohana sy mpiara-dia amin-dRajoelina Andry. Nan­teriny fa miisa 12 ireo lalàna efa tonga eny amin’ny Ante­nimierampirenena amin’izao fotoana mialoha ny hanatanterahana ny fivoriana tsy ara-potoana izao. Anjaran’ny go­vernemanta ny mamaritra ireo lalàna hodinihina mialoha. Na izany aza, notsindriny fa tsy ho vita ao anatin’ny 12 andro ny fandinihana ireo lalàna rehetra ireo. « Ho dinihina mandritra io fivoriana tsy ara-potoana io koa ny momba ireo raharaha mafana eto amin’ny firenena », hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny nametraka fitoriana teny amin’ny Antenimierampirenena ny eo anivon’ny tanora Gen Z. Anisan’ny niompanan’izany ny famadihan-tanindrazana nataon’ny filoha teo aloha, Rajoe­lina Andry. Eo koa ny fanitsakitsahana miverimberina ny Lalàmpanorenana…
Mandra-piandry izany fivoriana tsy ara-potoana izany, mitohy hatrany ny asan’ny solombavambahoaka amin’ny alàlan’ny vaomiera parlemantera mpanadihady. Nohai­noin’izy ireo, omaly, ny « Ra­ha­raha Jirama », niarahana amin’ireo tomponandraikitra avy eo anivon’izany orinasa izany.

Synèse R.

Partager sur: