Mpisehatra eo amin’ny fanatanjahantena 17 mianadahy no nahavita ny fiofanana Cams (Cours Avancés en Management du Sport), ka navoaka ofisialy, teny amin’ny Sky Blue Ankadindrarombo, omaly. Andiany faha-7 ity nivoaka ity izay mitondra ny anarana “Rohi”, izay midika hoe fifandraisana (Rafitra-Orina-Hetsika-Ivoniainy). Taranjam-panatanjahantena 17 no nanana solontena tamin’ity fiofanana ity, ka nisy ny atleta, Tale teknika, mpitantana, miaramila, mpitsabo ary mpanazatra. Mafy ny fianarana saingy nahavita hatramin’ny farany ireto mpiofana ireto. Voafidy ho mpiofana mendrika indrindra, i Fara Tina Jaoferson, avy eo anivon’ny taranja tenisy ambony latabatra. Nosafidian’ny andiany Rohi ho mpiahy azy ireo, Randriamalala Jacquis, avy eo anivon’ny KOM sy ny Jeneraly Andriamalala Arsène, avy eo izay efa nahavita ny Cams ihany koa, tamin’ny andiany faha-5. Nanambara izy fa ilaina ny fiofanana toy izao ary manan-danja amin’ny fitantanana ny fanatanjahantena malagasy. Manohana sy manosika ireto andiany Rohi ireto izy amin’ny fampiharana izay noratovina. Samy nahatsapa na ny mpampiofana, na ny mpiofana fa mila ainga vao ny fitantanana ny fanatanjahantena eto Madagasikara. Ny Cams dia natao indrindra hanampiana ireo mpitantana fanatanjahantena ho tena mpitarika mitondra araka ny tokony izy. Ho fampandrosoana ny fanatanjahantena amin’ny sehatra iray ihany koa. Tsiahivina, nanomboka tamin’ny taona 2012 no nisy ny Cams ary efa 140 amin’izao no efa nahavita ity fiofanana ity hatreto manerana ny Nosy. Ny Talen’ny fampiofanana, Ramaroson Ratovinirina, miaraka amin’ireo “moniteur” maromaro no mizara ny traikefa.
Mi.Raz




