Mpianaka niara-voarasa antsy ka namoy ny ainy ilay zanaka vavy, tao Sambava, omaly maraina. Hifampitadiavana ilay nanao habibiana.
Norasarasaim-badiny tamin’ny antsy, namoy ny ainy ny vehivavy iray tao amin’ny fokontany Ambohitrakongona, Kaominina Sambava, omaly maraina. Nanamparan’io lehilahy io habibiana ny vadiny sy ny rafozam-baviny, tamin’ny 2 ora maraina. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano nisy ireo mpianaka ireo izy. Nitondra zava-maranitra ka tsy nisy alaharo fa nandratra sy namono. Nofirainy nandritra izany ny vadiny. Tsy nisy namantarana azy intsony ny endrik’ilay vehivavy lasibatra. Simba tanteraka ny faritry ny tavany vokatry ny fandrasana tamin’ny antsy nataon’ilay vady tsy mataho-tody. Notapahan’ity lehilahy ity koa, ny tanana an’ilay vehivavy. Heverina ho niaro an-janany nandritra ny vono, notriatriarin’io vinanto lahy tsy valahara io koa, ilay renim-pianakaviana. Naratra mafy ity farany ary voatery nentin’ny olona akaiky azy teny anivon’ny toeram-pitsaboana vokatry ny fahavoazana tafahoatra.
Nandositra
Ahin’ireo havan’ny lasibatra ho tetika efa nomanin’ilay tovolahy io vonoan’olona nataony, omaly maraina io. Nanao famandrian-toerana mialoha teo anivon’ny fiantsonan’ny kaoperativa iray misy ny taksibrosy mampitohy an’i Sambava sy Antananarivo izy, ny sabotsy tolakandro. Nisy nahita ny nandalovany teny amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy tamin’io fotoana io. Nandositra anefa ity farany rehefa avy nanao ny vonoan’olona. Hifampitadiavana hatramin’ny omaly, fotoana nanoratana ny lahatsoratra, ilay lehilahy. Anatin’ny fitsaboana ilay renim-pianakaviana maratra mafy sy mirakaraka ny nofo mangatsikan’ilay vehivavy namoy ny ainy ny havany. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ao Sambava.
Tsiferana R.




