Nentin’ny Three Lions Angleterre, ny medaly alimo teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany « Mondial 2026 ». Resin’izy ireo teo amin’ny fiadiana ny laharana fahatelo ny Les Bleus France. Fihaonana nisian’ny baolina tafiditra betsaka indrindra.
Ny Three Lions Angleterre, no nahazo ny laharana fahatelo ary niambozona ny medaly alimo. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Miami, ny sabotsy lasa teo. Resin’ny anglisy, tamin’ny isa 6 no ho 4 ny Les Bleus France. Niady ny lalao, ary nifandimbiasana ny fanafihana saingy nanantombo teo amin’ny fahaizana mamono baolina ny anglisy.
Efa nitarika 4 no ho 0 ny izy ireo vao namono baolina ny frantsay. Vao nanomboka 3 mn ny lalao dia efa nanokatra ny isa i Rice. Tsy nijanona tamin’io fa mbola nanampy izany indray i Konsa (18 mn). Taorian’io, niezaka hatrany ry Olysé sy i Mbappé saingy voasakan’i Henderson, mpiandry tsatoby avokoa ny dakan’izy ireo. Rehefa izany, mbola nampidi-baolina fanintelony i Saka (37 mn). Tsy nijanona izany raha tsy efatra satria mbola nahatafiditra baolina indray izy, tany amin’ny fanampim-potoana (45 + 1) ka nentin’ny roa tonta niala sasatra io isa 4 no ho 0 io.
Nihevitra ny rehetra fa tsy hahatohitra intsony ny frantsay eo amin’ny fizaram-potoana faharoa saingy nifoha tamin’ny torimasony izy ireo ka nisesy ny baolina matiny. Vetivety foana dia 4 sy 3 ny lalao. Samy nampidi-baolina tamin’izany i Mbappé (48, 66 mn) ary i Barcola (54 mn). Efa ambony ny moralin’ny frantsay saingy nahafaty «pénalty» indray i Saka (87 mn). Nampihena ny isa indray i Dembele (90 + 6 mn). 5 no ho 4 teo ny isa. Nitady irika hanasahalana ny Les Bleus saingy ny Three Lions indray no namono baolina tamin’ny alalan’i Bellingham (90 + 8 mn) ka nahatonga ny isa ho 6 no ho 4. I Mbappé no mpilalao nahafaty baolina be indrindra tamin’ny tantaran’ny «Mondial» izay miisa 22. Voahosotra ho mpilalao mendrika kosa i Saka.
Tompondaka




