JJB-Grand Open Mada IV : Norombahan-dRakotomaria Tsinjo ny “cash prize”

Nafana ny fifaninanana “Absolute” nandritra ny “Grand Open Mada IV”, natao teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Rakotomaria Tsinjo no nahazo ny ” Cash prize”.

Tontosa teny amin’ny La­pan’ny fanatanjahantena Mahamasina,  tao amin’ny Petit Palais,  ny fifaninanana “Grand Open Mada IV”,  taranja Jiujitsu Breziliana. Anisan’ny nampisongadina ity fifaninanana ity, ny fisian’ny “Absoul­te”, ka Rakotomaria Tsinjo,  avy amin’ny klioban’ny One Tribe  no na­ha­zo ny fandresena sy ny “Cash prize” tamin’izany. Ni­son­gadina indrindra kosa ny klioban’ny Checkmat,  tamin’ny vokatra ankapobeny, izay  nandrombaka medaly volamena 7. Lahara­na faharoa manaraka azy, ny klioban’ny Guerreros, nahazo medaly volamena 6. Niakatra ny lentan’ny mpikatroka ary ni­voatra ny fifaninanana, araka ny nambaran’ny filoha mpanorina ny Combat Club 101 Jiujitsu, Ranarivelo Xavier, izay klioba nikarakara ity “Grand Open Mada IV” ity. Nisy ihany koa ny fiaraha-miasan’ny klioba tamin’ny ligin’ Ana­la­manga ny Jiujitsu Brezi­liana sy ny taranja échecs izay nanao fampirantiana teny an-toerana. Ankoatra ny “cash prize”, nahafahana nijery izay mendrika sy afaka miatrika fifaninanana iraisam-pirenena ihany koa ity GOM IV ity. Tsia­hivina,  mpikatroka jiujitsu breziliana 140 manerana ny Nosy  avy amin’ny klioba 13 no nandray anjara nandritra ny fifaninanana. Hiditra amin’ny fanomanana ny andiany faha-5 sahady ny Combat Club 101 Jiujitsu vao vita ity andiany faha-4 ity, raha ny fanazavan’ny filoha mpanorina ny klioba hatrany. Mankalaza ny faha-5 taona nitsanganan’ny klioba ihany koa izy ireo amin’ity taona ity.

Mi.Raz

Partager sur: