Notontosaina ny alahady teo, ny lalao sakana hiakarana amin’ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, Federaly I, XXL Top 12. Tafita hiatrika izany dingana manaraka izany ny ekipan’ny Uscar sy ny FTM Manjakaray. Ny ekipan’ny kaominina, nandavon’ny TFA Anatihazo, tamin’ny isa, 38 no ho 27. Rava tsy lera kosa ny fifanandrinan’
Ankadifotsy sy ny FTM Manjakaray, omaly, nitsahatra teo amin’ny minitra, faha-78. Raha ny hita teny an-toerana, nisy fanapaha-kevitra noraisin’ny mpitsara tsy neken’ny mpilalaon’Ankadifotsy ka nitsahatra ny lalao ny roa minitra tsy hifaranan’izany. Tsara marihina fa nitarika 22 no ho 18, ny USA Ankadifotsy, teo amin’ ny fidirana voalohany, ka tany amin’ny fidirana faharoa vao nitsimbadika ny isa ho an’ny roa tonta, ny ekipan’i Manjakaray indray no nitarika, 35 no ho 28, teny amin’ny solaitrabe. Raha tsy misy ny fiovana farany, hitsena ny Uscar eo amin’ny manasa-dalana ny CEA Andranomanalina. Ny Cosfa hifandona amin’ny ekipan’ny FTM Manjakaray. Tsara ny mampahatsiahy fa ny Cosfa miaramila sy ny FTM dia efa nifanandrina tamin’ny famaranan’ny Top 12, ny taona lasa teo. Mbola manala vela kosa ny ekipan’ny miaramila.
Fitia Randria




