Dimy andro natoriany andalana noho ny tsy fisiana. Namoy ny ainy vokatry ny tsy fahazakana ny ora-nikija, hatsiaka, hafanana ary hanoanana nahazo azy ny raim-pianakaviana iray tetsy Anosibe, omaly maraina.
Rangahy iray, manodidina ny 50 taona hita faty teny amoron-dalana teny Anosibe, omaly maraina. Nipetraka nanoloana ny vavahadin’ny tranon’olona iray teny an-toerana izy ka maty teo raha ny loharanom-baovao. Maty noho ny tsy fazakana orana, hafanana be, hatsiaka ary hanoanana izy io raha ny filazan’ny mpivarotra teny an-toerana. Tonga nijery ny zava-nisy ny polisim-pirenena. Tonga naka ny razana ny avy ao amin’ny sampana BMH (Bureau municipal d’hygiène) avy eo.
“Mpirenireny an-dalambe efa tsy nanana trano fonenana ity rangahy maty ity”, hoy ireo mponina teny an-toerana raha nanontaniana. Nandritry ny dimy andro, tonga nipetraka teny amoron-dalana manoloana ireo mpivarotra izy io raha ny filazan’ny mpivarotra Cash point iray. Nasain’ireo mpivarotra naka toerana maloka izy. Satria midanika be ny masoandro, avy ihany koa ny orana. “Mba hisorohana ny aretina mety hitranga ny antony” hoy ireo nanontaniana. Tsy nihetsika teo amin’io toerana io intsony izy raha ny filazan’ny mponina. Tsy mialoka ihany koa izy fa nijanona teo foana. “Teo izy ny misakafo na ny manao maloto” hoy hatrany ny fanazavana. Nanolotra sakafo, kafe sy mofo ho azy ihany anefa ireo mpivarotra sy olona sasany tao anatin’ny 5 andro.
Efa tsy salama tonga teny an-toerana
Nilaza ireo mponina fa efa hafahafa izy io tamin’ny fotoana nahatongavany teny an-toerana. Nibinabina ny vatany, tsy dia afaka mandeha ihany koa. Nandro tamin’ny orana izy vantany vao tonga teny an-toerana. Lasa nikohaka be izy taorian’izay, nefa sady tsy nanana lamba firakotra raha ny fanazavana voaray. Tsy fantatra ny fiaviany sy ny fianakaviany fa niezaka nitady izany izahay.
Mino (mpianatra asa)