Nahavita lalao 37 : Tsy resy mihitsy ny La Furia Roja Espagne

Ekipa niavaka ny La Furia Roja Espagne, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Tsy nisy naharesy izy ireo tamin’ny lalao rehetra nataony. Baolina tokana no hany tafiditra tao aminy. Nandrombaka amboara miisa efatra koa izy ireo.

Vita izy izay! Any Maroc sy Espagne ary Portu­gal ny fotoana amin’ny taona 2030. Heverina fa hisy lalao fanokafana telo kosa any Argentine, Paraguay ary any Uruguay. Izay ny vaovao nanamarika ny fiafaran’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja baolina kitra tamin’ity taona ity.
Nikatona tamin’ny alahady ny “Mondial 2026”, andiany faha-23 hatramin’ny niforonany. Tsiahivina fa lasan’ny La Furia Roja Espagne ny amboara. Nanilika ny Albi­celeste Argentine, tamin’ny isa 1 no ho 0, izy ireo nandritra ny famaranana, natao tany New Jersey, Etazonia. Nison­gadina ry zareo Espaniola. Izy no hany ekipa tsy resy mihitsy nanomboka tany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona mandra-pandrombahany ny amboaka.
Raha ny antontanisa, baolina iray monja no tafiditra tao amin’ny tsatobin’izy ireo. Izy no ekipa tsara fiarovantena indrindra. Etsy ankilany, namono baolina miisa 14 ny La Furia Roja, tao anatin’ny lalao 37 vitany. Tena nampiavaka azy, tsy nisy mpilalao nahazo karatra mavo na mena ihany koa. Ankoatra ny amboara volamena azon’i Espagne, nandrombaka am­boara miisa telo izy ireo. Anisan’izany ny an’ny mpilalao tanora mendrika, tamin’ny alalan’i Pau Cubarsi, ny mpiandry tsatoby indray la­san’­i Unai Simon ary i Rodri kosa no mpilalao mendrika.
Nahatratra 297 ny isan’ny baolina tafiditra tamin’ny “Mondial 2026”. Miisa sivy ny lalao nisy fanalavam-potoana. Efatra no tonga tany amin’ny fandakana ny “tirs au but”. I Argentine no ekipa tsy nahavita nandaka nanoloana ny tsatoby, tao anatin’ny 90 mn nilalaovana, nandritra ny famaranana, izay tsy mbola nisy hatramin’izay nisian’ny fifaninanana. Nanamarika ny an­diany faha-23 ity koa ny nanafoanana ny karatra mena azon’ilay Amerikanina, i Folarin Balogun, taorian’ny fangatahan’i Donald Trump, filohan’i Etats-Unis.

Tompondaka

Partager sur: