Nanainga omaly, nihazo an’i Casablanca Maraoka, Ralevazaha Kevin, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, eo amin’ny sokajy junior, latsaky ny 66 kg. Ny sabotsy 25 jolay izao ity Malagasy judokas, avy amin’ny klioban’ny Family Judo Club Antsirabe (FJCA) ity no hiakatra tatami.
Niakatra kianja, nanomboka omaly, ny Ankoay lahy sy vavy, miatrika ny “Nations League 3×3”, U23, taranja basikety, izay hatao any Botswana. Ny ekipan’i Egypte no nifandona voalohany tamin’ny Ankoay vavy, ka nandavo azy ireo, tamin’ny isa 12 no ho 11. Mbola mitohy ny fifaninanana.
Hotanterahina ny 7, 8 ary 9 aogositra izao, eny Nanisana, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja échecs, sokajy seniors sy amateurs. Efa misokatra ny fisoratana anarana amin’ity fifaninanana ity ary hifarana ny 2 aogositra ho avy izao.




