Kitra – Divizionina faharoa nasionaly : Hisolo tena an’Analamanga ny Disciples FC

Ny ekipan’ny Disciples FC Espoir no voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Anala­man­ga tamin’ity taom-pilalaovana 2026 ity. Lasan’izy ireo ihany koa ny lelavola 2 tapitrisa Ariary avy amin’ny ligy. Izy ireo ihany koa no hiaro ny voninahitr’Analamanga any amin’ny fifanintsanana diviziona faharoa, nasionaly. Tsia­hivina fa lavon’izy ireo, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Toulon Football Academy, nandritra ny famaranana izay notanterahina teo amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, afakomaly.
Raha hiverenana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta, nifandimbiasana ny fifanafihana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Samy tokony ho nahita masonaharato nikobana, nandritra ny 45 minitra voalohany. Ady sahala 0 no ho 0 no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Teo amin’ny fidirana faharoa, nisy fahadisoana kely nataon’ny vodilaharan’ny Toulon FA ka tafaporitsaka i Regino, lohalaharan’ny Disciples FC, ny minitra faha-63, ka nampiditra ny baolina mora tany anaty harato. Nie­zaka nanenjika ny isa ihany ry Tsinjo sy namany, ao amin’ny Toulon, saingy tsy nahasahala izany mihitsy. Nisy baolina roa tokony ho tafiditr’i Ketaka, mpilalaon’ny Disciples Espoir, saingy azon’ny mpiandry tsatobin’ny Toulon avokoa izany, ny faha-80 minitra sy ny faha-86 minitra nilalaovana. Nijanona tamin’io isa 1 no ho 0 io, araka izany, ny fihaonana, nandresy ny Disciples FC Espoir. Hanomboka ny volana aogositra ho avy izao ny divizionina faharoa nasionaly.

F.R

Partager sur: