Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ny zandary efa-dahy sy sivily iray rehefa avy nohenoin’ny fampanoavana. Notorian’ny vehivavy iray monina eny Itaosy ho saika hanafika sy hanolana izy ireo. Voalazan’ny loharanom-baovao hafa anefa fa hitaky trosa no nalehan’izy ireo tany.
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny zandary efa-dahy, afakomaly, rehefa avy nohenoin’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana. Misy lehilahy sivily iray koa niaraka tamin’izy ireo. Vehivavy roa hafa, voalaza fa mpiray tsikombakomba, nalefa eny amin’ny fonjaben’Antanimora. Renim-pianakaviana iray monina eny Itaosy no nitory azy ireo, ny 29 jona.
Fanafihana mitam-piadiana sy fikasana hanolana ny sabotsy 27 jona no vontoatin’ady voarakitry ny fitoriana. Ny polisim-pirenena misahana ny heloka bevava, sampana voalohany, ao Anosy, no nandray an-tanana ny fanadihadiana. Noho ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny zandary sy ny polisy anefa dia tsy maintsy nalefa hofotorana teny amin’ny zandary izy efa-dahy. Taorian’ izay vao niverina nohenoina ny sivily telo mianadahy niaraka notoriana, sy ny mpitory. Niafara tamin’ny fampidirana am-ponja ny raharaha, ny 20 jolay.
« Call rose »
Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety teny amin’ny Lapan’ny fitsarana anefa, nisy lohanarom-baovao hafa nilaza fa resaka fanaovana itony « call rose » itony no ao ambadiky ny raharaha. Tsy mpanafika velively ireo olona voasambotry ny polisy fa saika handeha hitaky trosa na karama tsy voaloa. Nilaza hatrany ny loharanom-baovao fa adin’ny mpiasa sy mpampiasa tsy nahaloa karama no fototry ny disadisa. Nitaraina tamin’ny namany ny vehivavy iray fa tsy nandray vola. Milaza ho nahafantatra namana zandary ity farany ka nanao be midina teny an-tranon’ilay ramatoa mpampiasa izy ireo. Fifanampiana teo amin’ny namana ilay izy, hoy ny fifampizaram-baovao.
Mifamahofaho
Hatreto dia miandry ny fotoam-pitsarana any am-ponja ireo voatory. Andaniny, mainka nandentika azy ireo ny tsy fisian’ny taratasy fahazoan-dalana handeha hitaky vola na hanao iraka tahaka izany. Voasokajy ho tsy ara-dalàna ny fanaovana izany, mitovy amin’ny fidirana an-keriny any an-tranon’olona. Etsy ankilan’ izay, nanontsana ny mahakasika ny famarinan’olona (traité de personne) ny voatory, saingy mbola tsy misy tohiny ny mahakasika izay.
Marihina fa nisy ny fangatahana fanampim-baovao teny anivon’ny polisim-pirenena sy ny zandary saingy ho fanajana ny tsiambaratelon’ny famotorana dia tsy misy vaovao ofisialy. Niezaka ny nahazo ny mpitory koa ny gazety saingy tsy nahazo valiny hatramin’ny fotoana nanoratana.
r.r




