Rehefa nifampitadiavan’ny zandary, noraisim-potsiny tao amin’ny hopitaly tao Behenjy ny iray tamin’ireo jiolahy natao hazalambo, omaly maraina. Nanao ny asa ratsiny tao amina mpivarotra amina tsenam-barotra iray, lasan’ireto jiolahy ireto ny entana, telefaonina telo sy vola 230 000 Ar, ny alin’ny alahady teo. Nodarohan’izy ireo ny tompon-trano, vaky nandositra izy rehefa azony ny vola. Naharay fitarainana ny zandary mahakasika ireto jiolahy ireto. Nidina ifotony, nanao ny fanadihadiana ireto farany. Sarona ireo jiolahy. Nitondra fitaovam-piadiana, nirifatra avy hatrany izy ireo rehefa nasain’ny zandary nijanona. Raikitra ny fanenjehana. Lavo ny bala ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Nandositra ny namany iray. Voasambotra tao amin’ny hopitaly ao an-toerana ity farany rehefa nitsabo ny ratra nahazo azy. Mitohy ny fikarohan ireo entam-barotra voaroba.
Tsiferana R.