Voatendry handrafitra ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ho minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Manamboninahitra jeneraly isan’ireo niara-niasa akaiky tamin’ny MDN teo aloha, ny Jly Rakotonirina Richard izy. Nivoaka avy ao amin’ny andiany faha 17 tao amin’ny Akademia Miaramila (Acmil) Antsirabe izy. Manana ny mari-pahaizana momba ny fiarovam-pirenena sy école de guerre ny taona 2011. Nanaraka fiofanana maro tany ivelany izy, isan’ izany ny tany Mali, ny taona 2006. Andraikitra efa nosahaniny teo anivon’ny minisiteran’ ny Fiarovam-pirenena ny directeur général de la planification stratégique.
Jean Claude