Araka ny fikarohana natao omaly, nanova endrika ilay brezilianina, mpilalao baolina kitra, Vinicus Junior, rehefa nanao fandidiana teo amin’ny saokany. Maro ireo mpankafy sy mpanaraka baolina kitra no tsy nahafantatra azy taorian’io fandidiana natao taminy io. Tsiahivina fa milalao ao amin’ny Real Madrid Espagne i Vinicus Junior.
Nijanona eo amin’ny faha-104, eo amin’ny filaharan’ny Fifa, ny ekipam-pirenena malagasy, Barean’i Madagasikara. Tsy nampiova ny toeran’izy ireo ny fiovaovan’ny vokatra nandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany 2026 farany teo iny. Tsiahivina fa ny ekipa nasionaly malagasy izay hiatrika ny fifanintsanana Can 2027, ny volana septambra ho avy izao.
Hotanterahina ny sabotsy izao, eny amin’ny INFP Mahamasina, ny famaranana lehibe eo anivon’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, ho an’ny “Champion’s Cup”. Sokajy U12 lahy sy vavy, Vétérans lahy, Open sokajy vehivavy ary N1B lehilahy no hifaninana amin’ity famaranana lehibe ity.




