Hiara-kiasa ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany (ONE) sy ny Fikambanan’ny mpikambary malagasy (Fimpima). Voarakitra ao anatin’izany ny hanofanan’ny ONE ny mpikabary amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Hampidirina ao anatin’ny kabary hataon’izy ireo rehefa miantsehatra amin’ny lanonana samihafa, toy ny fanorenana tokantrano, ohatra.
Manana andraikitra amin’ ny fampahafantarana ny rijan-teny sy ny fehezan-dalàna amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny ONE. Tanjona amin’ ity fiaraha-miasa ity ny ahafahan’ny olom-pirenena mandray andraikitra miaro ny tontolo iainana rehefa mahafehy izany.
Hianatra hikabary ny ONE
Nilaza ny Tale jeneralin’ ny ONE, Rakotoson Rija, fa « homena fiofanana ny mpikabary mikasika ny pitsopitsony rehetra manodidina ny fiarovana ny tontolo iainana. Etsy ankilany, hianatra hikabary koa ny mpiasan’ny ONE satria haren-tsaina sy vakoka ».
Nomarihin’ny filoha mpanampy ny Fimpima, Rtoa Ramaroson Edmondine, fa « ho ampidirin’ny mpikabary ao anaty kabary vodiondry ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana. Mahatratra 4.000 ny mpikabary manerana ny Nosy, ka hitondra ny hafatra any amin’ny fiarahamonina. Haharitra telo taona ity fiaraha-miasan’ny ONE sy ny Fimpima ity.
Njaka A.