Ho fanamarihana ny andron’ny fisaonam-pirenena, nanatanteraka fotoam-pivavahana, teny Analakely, ny FFKM sy ny fitondrana. Tanjona ny handroahana ny asan-devoly eto amin’ny firenena.
Tao anatin’ny fisaonam-pirenena noho ny fahaverezana sy famonoana olona etsy sy eroa, nitarika fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fiaraha-miory sy fampaherezana ireo niharam-boina ny FFKM. Teny amin’ny tokotaniben’ny Lapan’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, Analakely no nanatanterahina izany, omaly. Nanatrika izany ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël; ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, niaraka tamin’ireo mpikamban’ny governemanta… Nisy ny hafatry ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona: “Mba ho tony sy hanalavitra ny mety ho tombony sy ny valifaty ary ny toe-tsaina hifanararaotra ao anatin’izao fotoana izao.” Mifampahery koa ary mampahery ny niharam-boina sy mitondra ratra sy tebiteby ary mbola miaina ao anatin’ny vokatry ny hasomparan’ny fahavalon’Andriamanitra. Antsoiny ny fiangonana rehetra hanohy ny vavaka ho an’ny firenena.
“Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” (Efes 6:12) ny tenin’Andriamanitra nentin’ny filohan’ny FJKM, ny pasitera Andriamampianina Zaka. “Mila mivavaka ny Malagasy”, hoy izy. Ady mifanatrika no voalazan’ny tenin’Andriamanitra, fa tsy mifampitazan-davitra na mifampiandry. Paikady miaramila no iatrehana izany: tovozina ao amin’Andriamanitra ny hery, tafiana avokoa ny fiadian’Andriamanitra, fantarina ny tena fahavalo fa tsy ny tena samy tena no mifanangana ho fahavalo, tsy mitazam-potsiny na milefa fa miady sy mijoro hatramin’ny farany, fivavahana mandrakariva…
Nisy ny fitsapana alahelo sy fiaraha-miory ary fankaherezana ireo mana-manjo, taorian’ny fotoana.
R. Nd.




