Anisan’ireo minisitra nesorina tamin’ny toerany amin’ izao fanendrena ho mpikambana ao anatin’ny governemanta izao, ny ao amin’ny Angovo sy ny akoranafo, ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro ary ny Asa vaventy. Nosoloina an-dRasamoelina Andriamanampisoa, ho minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Ramaroson Andry. Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama, sady tale jeneralin’ny orinasam-panjakana SPM ity minisitra vaovao ity.
Notendrena ho minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro Ramonjavelo Valèry, sekretera jeneralin’ny prezidansa (SGP) teo aloha, nisolo toerana an-dRanjatoelina Rolland. Voafidy ho filohan’ny filankevi-pitantanana ny Antokon-draharaha misahana ny fiarovana amin’ ny fitaterana ana habakabaka aty Afrika (Asecna) ity farany, izay handray ny toerany vaovao ny 30 avrily 2023 ho avy izao.
Nesorina amin’ny toerany amin’ny maha minisitry ny Asa Vaventy azy kosa i Hatrefindrazana Jerry, nasolo azy ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah.
Njaka A.