Miomana amin’ny fiavian’ ny rivodoza Freddy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana (MICC). Halefa any amin’ny faritra samihafa dieny izao ny Vary Tsinjo hitsinjovana ny mety ho fahasarotana amin’ny famatsiana noho ny andro ratsy na mety ho fahatapahan’ny lalana.
Niainga teto Antananarivo tamin’ny 19 febroary 2023 ny fiarabe mitondra vary ho any Mananjary (32 t), Nosy Varika (32 t), Manakara (32 t). Niala any Toamasina omaly 20 febroary 2023 kosa ireo hitatitra ny vary ho any Vatomandry sy Mahanoro (32 t). Ho an’ny famatsiana ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana dia efa misy ny entana niala avy any Fianarantsoa. Ampy ny tahiry ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina.
Tsy maintsy vita alohan’ ny handalovan’ny rivodoza ny fanapariahana ireo vary ireo, araka ny toromariky ny minisitra Razafindravahy Edgard.
Ndrina