Tenisy – “Davis Cup” : Tafakatra amin’ny vondrona fahefatra ny Malagasy

« Tanteraka ny fanamby! » Tafita ao amin’ny vondrona fahefatra amin’ny fifanintsanana Davis Cup aty amin’ny faritr’i Afrika ny ekipam-pirenena malagasy. Nahazoan’izy ireo izany ny fandresena, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny ekipa nasionalin’i Gabon. Raha hiverenana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta, somary sahirana teo amin’ny fihaonana voalohany ny Malagasy, rehefa lavon’i Hervé Antchandie, gaboney, tamin’ny seta 2 no ho 0, (6,3/6,3) Rakotondrasoa Valentin.
Nanarina ny lesoka tao anatin’ny fifanandrinana faharoa, Rakotondramanga Antso, rehefa resiny, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6,0/6,2), i Lyold Obiang Ondo. Nandritra ny lalaon’olon-droa miaraka indray, tena nivoaka sempotra ny Malagasy nisy an’Andria­masilalao Lucas sy Rakoton­dramanga Antso, vao nahita ny fandresena. Seta 2 no ho 1 (2,6/7,6/6,2), teo anatrehan’ireo gaboney mirahalahy, Hervé Antchandie sy Lyold Obiang Ondo.
Nandritra ny seta roa voalohany, sahirana tanteraka ny Malagasy. Resy tamin’ny isa 6 no ho 2, ry zareo teo amin’ny seta voalohany ary nandresy 7 no ho 6, tamin’ny « super tie break », tamin’ny faharoa. Azo lazaina ho niakatra izany ny lentan’ny alagasy tamin’ity taona ity. Tsiahivina fa nihintsana teo amin’ny dingan’ny manasa-dalana ny ekipam-pirenena malagasy, ny taona lasa teo.

Fitia Randria

Partager sur: