Ankoatra ny fampiarahana ny asa sy ny fianarana (ATE) any an-dakilasy anatin’ny tetikasa “Jeunesse malagasy compétente au travail” (JMCT), manofana tanora efa niala an-daharana tany am-pianarana ny tetikasa. Fiofanana teknika mandritra ny roa volana ary afaka misehatra amin’ny asa avy hatrany no natolotra. 33 ireo niofana tamin’ny andiany voalohany teo amin’ny lalam-piofanana taotrano sy ny asa vaventy (BTP), teny anivon’ ny Lycée technique génie civil (LTPGCM) Mahamasina. Nandray ny taratasy mari-pahaizana izy ireo, omaly. Tanora 18 ka hatramin’ny 30 taona izy ireo ary natolotry ny fokontany na koa ONG mikarakara tanora. Mahafehy ny fandokoana sy ny fametrahana “carreaux” ary ny kojakoja samihafa amin’ny toeram-pidiovana ireo mpiofana. “Tanjona ny hahitan’izy ireo asa avy hatrany rehefa vita ny fiofanana satria mafonja ny fampiharana nandritra ny fiofanana”, hoy ny mpandrindra ny tetikasa JMCT eto Madagasikara, Rakotondrajaona Luc.
Hanofana mpianatra 250 hifehy asa ny tetikasa ka hisitraka koa ny tanora any Ambositra sy Antsiranana ho an’ ny andiany manaraka. Lalam-piofanana voakasika ny BTP sy ny fandraisam-bahiny sy ny fizahantany. Manohana ny JMCT ny AUF sy ny Kanadianina ary ny oniversite kanadianina Trois Rivières hampiakarana ny fahaiza-manaon’ ny tanora rehefa vita ny fianarany.
Vonjy