Ateltisma – Mada 2026 : Hifantenana izay hanao JIOI

Nambaran-dRandriamahazo Norolalao, filohan’ny Fede­rasionina malagasin’ny atletisma (FMA) tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny Kianja Alarobia, ny zoma lasa teo, fa hotanterahina ny 31 jolay – 2 aogositra ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny. Ny 7 – 9 aogositra kosa ny an’ny sokajy rehetra. Hanana ny lanjany lehibe izany satria hifantenana izay handrafitra mialoha ao anaty ekipam-pirenena hiatrika ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2027). Nohazavainy fa nisy fihemorana ny atletisma ka ezahina haverina amin’ny tanjany. Notsiahiviny fa hatramin’izay, laharana voalohany foana ary anisan’ny mitondra medaly volamena betsaka ho an’i Madagasikara ity taranja ity. Hampiavaka azy ity ny fahavitrihan’ireo ligim-paritra izay handefa sonlotena maro. Ho an’ireo atleta any ivelany, efa manana ny toerany i Sidonie sy i Claudine, satria efa ambony be ny zava-bitany. Manao antso avo kosa ny tenany ny amin’ny tokony hanamboarana ny “tartan” ao amin’ny kianja Alarobia sy ny fametrahana ora mba hatokana ho an’ny atletisma, hahazoan’ireo atleta manomana sy mifantoka tsara.

Tompondaka

Partager sur: