Polisim-pirenena : Napetraka ny paikady aha­fahana manakaiky vahoaka

“Tsy mijanona fotsiny ho fitarainana ny paositry ny polisy fa natao ho fototra hanorenana ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny polisy. Sehatra ifampiresahana ahafahana mamantatra mialoha ireo olana miteraka tsy fandriampahalemana izy ireny”, hoy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka.

Misokatra ho an’ny rehetra, ho fitorohana sy fitarainana ary fampitam-baovao amin’ny tranga herisetra, ny www.vbg.pn.­gov.mg. “Tsy mijanona amin’ny andraikitra famaliana ny tranga miseho fotsiny ny polisim-pirenena fa miasa mialoha ho fisorohana”, hoy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, IGP Erick Michel. Man­drafitra paikady sy miantsehatra amin’ny ady atao amin ny herisetra mirongatra ankehitriny koa ny borigadin’ny polisy vavy manakaiky vahoaka (BFP). Andraikitra fototra sahaniny rahateo ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin ny mahalahy na mahavavy (VBG). Misy ny taridalana mazava raha vao manokatra ny rohy ireo te hampita tranga mampiahiahy na hanao fitorohana sy fitarainana. Vonona hifandray amin’ny fotoana rehetra ho an’ireo miditra ao anatin’ny rohy ny polisim-pirenena.

Mihaino ny olona eny ifotony
Ankoatra ny antso an-tariby sy ity rohy ity, mihaino ny olona eny ifotony koa ny polisim-pirenena. Eo ny fidinana ifotony fanao mahazatra ahafahana manome lanja ny fifampihainoana. Tanjona ny fiaraha-miasa amin’ny fiarahamonina ho fisorohana sy fiatrehana ny zava-mitranga. Nilofo tamin’ny fanokafana kaomisaria sy paositry ny polisy vaovao ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ankoatra ny fanatsarana ireo efa am-perinasa. Efa misy ny kaomisaria ao Ankazobe, izay niasa nanomboka ny 17 jolay lasa teo. Tena midadasika ny distrikan’Ankazobe satria mivelatra amin’ny 7 393 km2 (1/3ny faritra Analamanga). Manana kaominina 15 sy fokontany 145 ny distrika izay nalaza tamin’ny fakana an-keriny, ny taona 2004-2005. Andrasana amin’ity kaomisaria vao nisokatra ity ny hanampy ny mpitandro filaminana efa misy any an-toerana hihazona ny fandriampahalemana efa mipetraka. Nosokafana ny 23 jolay lasa teo koa ny paositry ny polisy ao Ambohitrinibe, kaominina Anosiala.

Vonjy

Partager sur: