Varotra fanafody tsy ara-dalàna: Nidina ifotony ireo tomponandraikitra

Ho fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka, notanterahina nandritra ny tsena Sabotsy, tao Ankadinondry, ny hetsika fanafoanana ny varotra fanafody ankalamanjana. Niara-ni­entana, tamin’izany, ny mpiasan’ny fahasalamana, ny kaominina ary ny Zandari­mariam-pirenena. Taorian’ny fampitandremana nomena ireo mpivarotra voakasika izany, herinandro mialoha, nidina ifotony ireo tomponandraikitra nijery sy nandray fepetra tamin’ireo izay mbola minia nanohy ny fivarotana tsy ara-dalàna. Voafe­hin’ny lalàna ny fivarotana sy ny fitahirizana fanafody. Mety hampidi-doza ho an’ny fahasalaman’ny olo­na ny fanafody amidy amin’ny toerana tsy natokana ho amin’izany. Tsy manaraka ny fenitra fitahirizana izy ireny ka mety ho simba na hihena ny fahombiazan’ny fanafody. Ma­nentana ireo tomponandraikitra ara-pahasalamana sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra ny DRSP Bongolava hanamafy ny ady amin’ny varotra fanafody an­kalamanjana, indrindra mandritra ny andro tsena.
Efa miorina ny fiaraha-miasa amin’ny Zandarimaria manerana ireo kaominina. Vonona hatrany izy ireo hanohana ny hetsika rehetra hiarovana ny fahasalaman’ny va­hoaka.

Vonjy

Partager sur: