Depiote Rakotoniaina Pety : “Vokatry ny kolikoly avo lenta ny fahapotehan’ny Jirama”

Mitohy ny fanaovana tatitra… “Ny fiandohan’ny fahapotehan’ny Jirama amin’izao fotoana izao dia vokatry ny kolikoly avo lenta sy ny kopaka isasahana nataon’ny mpitondra sy ireo sehatra tsy miankina tamin’izany fotoana izany”. Io indray ny fanaza­van’ny filohan’ny vaomieran’ny fanadihadiana parlemantera eo anivon’ny Antenimie­rampirenena, ny depiote Ra­kotoniaina Pety, teny Tsim­bazaza, omaly, ny amin’ny fanadihadian’ny vaomiera tarihiny momba ny orinasam-panjakana Jirama. Mahatonga izay fahapotehana izay koa ny fanafoanana ny toby fanadiovan-tsolika tany Toamasina, tamin’ny taona 2002. Toy izany koa ny tsy fanohizan’ny mpitondra fanjakana taty aoriana ny fametrahana toby famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny riandrano. Ani­san’ny fahadisoana lehibe koa izay, mahatonga izao olana mitranga amin’ny firenena izao. Ny manaraka, miteraka olana amin’ny Jirama sy ny famatsiana herinaratra ny tsy fisian’ny rotsakorana vokatry ny fahapotehan’ny tontolo iainana.
Rehefa nampanofain’ny tsy miankina tamin’ny Jirama ny vondrona mpamokatra herinaratra, tsy misy taratasy fifanarahana mazava momba izany, rehefa natao ny fanadihadiana. Betsaka ny fanararaotana teo amin’izay fanofana vondrona mpamokatra herinaratra izay, araka ny fanazavany. Miteraka fatiantoka sy nampitombo be dia be ny fandaniam-bola nataon’ny Jirama izany. Mpamokatra herinatra tsy miasa, ohatra, lazaina fa miasa. Nefa nandoa vola ihany ny Jirama. Taty aoriana, nivadika ho fifanarahana fividianana ny fitaovana izany, izay fifanarahana ma­nambaka izany.

R. Nd.

Partager sur: