FANTINA sy FINTINA

Tranga hafahafa tsy inoan’ny saina mihitsy izany mandatsaka ain’olombelona izany noho ny fitiavan-karena sy fitiavan-tena ary fitiavana ny fiainan’izao tontolo izao. Nivoitra izany tamin’ny lahatenin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël tany Morondava, afakomaly tamin’ny fanamasinana ny eveka mpanampy hiasa any an-toerana.
Nampiakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana, hanoherany ny tsy fahazoany fahafahana vonjimaika, ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy. Tsiahivina fa sivy volana izao no voatazona vonjimaika am-ponja ao amin’ny fonjan’i Melrose, ao amin’ny Nosy Maorisy, ny tenany. Mbola miezaka mitady ny hanafahana azy vonjimaika izy amin’izao fotoana izao.
Nampita hafatra amin’ireo fianakaviana miatrika fahoriana sy misedra fijaliana amin’izao fotoana izao ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro teo. «Mangataka ny fiarovan’Andriamanitra manoloana ny fakàna an-keriny, ny tsy rariny ary ireo karazana herisetra maro samihafa», hoy izy.
Nahitsy ny Pr Ratsimbazafy Jonah fa fotoana izao hanovana ny rafi-pampianarana. Nanteriny fa tokony hifototra amin’ny harena misy eto ny taranja hampianarana ny zaza. «Tokony ho laharam-pahamehana ny fambolena sy ny fiompiana ao anatin’izany, ankoatra ny harena voajanahary an-tanety sy an-dranomasina», hoy izy.

Partager sur: