Anisan’ny tanora mendrika ka voafantina ho isan’ ireo mpitondra tenin’ny tanora maneran-tany Andriantsimba Hajaniaina Lucas. Nandalo dingana maro ny fifantenana izay nokarakarain’ny OMLMS. Marobe ireo mpifaninana tamina firenena marobe maneran-tany ka anisan’ny sangany ny kandida avy amin’ny Tily eto Madagasikara. Tanora an-jatony, araka izany, ireo nifanintsana sy nanolotra ny filatsahany ary ireo tena mendrika no voafantina.
Tsiahivina fa nisy ny antso natao tamin’ny Tily rehetra ny volana oktobra teo ho an’ireo naniry ny handray anjara amin’ny fifaninanana ho mpitondra tenin’ny tanora maneran-tany na “Youth Representative”. Ireo notsongaina manokana ireo no hisolo tena sy hitondra tenin’ny tanora skoto manerana izao tontolo izao any amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy any amin’ny firenena mikambana mandritra ny telo taona.
Tatiana A