Nahazo toerana vetivety tao amin’ny klioba Mouloudia Club d’Alger, Razafindranaivo Koloina na Rakool, omaly. Nisongadina tanteraka Rakool nandritra ny fihaonan’ny Mouloudia AC sy ny US Biskra, lalao izay tafiditra amin’ny andro faha-17 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Algérie, diviziona voalohany. Nisaraka ady sahala tsy nisy nitoko, 0 no ho 0 ny roa tonta.
Nijoro hatramin’ny farany Rakool, fe-potoana 90 minitra no nanehoany ny fahaizany. Nisy ny fahadisoana nataon’ny mpilalaon’ny US Biskra, tsara ilay “coup franc” nodakain-dRakool, teo amin’ny minitra faha-63 saingy azon’ilay mpiandry haraton’ny US Biskra. Eo amin’ny laharana faha-4 no misy ny Mouloudia AC ary manana isa 27, raha toa ka eo amin’ny laharana faha-11 ny US Biskra, ma-nana isa 22.
Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao misongadina tamin’ ny Chan Algérie 2023, Rakool, nahatafiditra baolina telo.
Nanao fitiliana an’i Berajo ny Swift Hesperange
Niala teto an-tanindrazana ny alahady hariva teo, i Berajo, Malagasy vodilaharana Barea. Handeha hanao fitiliana any amin’ireo klioba any Eoropa ny tenany. Araka ny vaovao voaray omaly, hitsapa fahaizana ao amin’ilay klioba divizianina voalohany any Luxembourg, Swift Hesperange i Berajo.
Ankoatra izay, navoakan’ny Jet Kintana FC, tao anaty tambajotran-tserasera fa hitsapa fahaizana any Frantsa sy any amin’ireo firenena Eoropa hafa ny lehilahy. Marihina fa anisan’ny vodilaharana tena manana traikefa i Berajo.
Mety ho lasan’ny MCA i Nina
Ankoatra izay, mety hanampy an’i Koloina ao amin’ ny klioba Mouloudia Club d’Alger i Nina, mpiandry harato Barea. Efa mandeha ny resaka eo amin’ny roa tonta, saingy mbola andrasana ny fanambarana ofisialy. Tsiahivina fa, saika nalain’ny Grenoble FC, klioba frantsay i Nina saingy nisy olana teo amin’ny “visa”.
Fitia (Mpianatra asa)