Nihazo an’i Egypte, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, mivady. Nambarany teny am-piaingana fa tafiditra amin’ny fiaraha-miasan’ny samy Afrikanina ny fitsidihana. « Mbola mino tanteraka aho fa ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena afrikanina no hanavotra ny firenena afrikanina manontolo », hoy izy, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nanteriny fa fitsidihana arakasa no hotanterahin’ny delegasionina miaraka aminy. Hoenti-manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena afrikanina koa. Nambarany fa namaly ny fanasan’ny filoha Ejipsianina, Abdel Fattah Al-Sissi, ny tenany amin’izao diany any an-toerana izao. Hisy ny fifanaovan-tsonia fiarahana miombon’antoka maromaro eo amin’ny firenena roa tonta,
Etsy andaniny, hanana fandaharam-potoana manokana koa ny vadin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Elisa, amin’izao fitsidihana ny firenen’i Faraona izao. Samy nosavaina tahaka ny mahazatra ny entan’ny filoham-panjakana, mivady, nialoha ny nidirany ny fiaramanidina, teny Ivato.
Tsiahivina fa anisan’ny nanamboatra ilay « Lalambe migodana », mianga eto Antananarivo mihazo ny any Toamasina ry zareo Ejipsianina, amin’ny alalan’ny orinasa, Samcret. Nihantona ny tetikasa ary efa nilaza ny hanohy ny fanamboarana izany ny fitondrana Fanavaozana, amin’izao fotoana izao.
Synèse R.




