Nitsidika tampoka ny CO-FDS ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, afakomaly. Nijery ifotony ny zava-misy sy nankahery ireo tomponandraikitra sy ny vahoaka voakasika ny tenany, tamin’izany. Nanome toromarika koa mba hampandeha haingana sy amim-pahombiazana ny fandraisana andraikitra amin’izao tsy fandriampahalemana izao.
Anisan’ireo mpanolotsaina manokanan’ny Filohan’ny Fanavaozana Ralaiseheno Guy Maxime. Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny tenany. « Tompon’andraikitra amin’ny fanavaozana eto amin’ny firenena isika rehetra », hoy izy. Tsiahivina fa mpandrindra ny vondrona KFIM, fanorenana ifotony, ny tenany.
Nahitsy ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, nilaza fa te-hijanona amin’ireo ratsy efa niainany tany aloha ireo manohitra ny fanavaozana. « Ireo ilay tena nanao ny tsy mety sy forongony. Aoka ho ny tombontsoa ho an’ny besinimaro no tadiavina raha hametraka fanavaozana fa tsy an’olon-tokana », hoy izy, tany Bongolava.
Fahasidoana nataon’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, ny nanariany ny zom-pirenena maha Malagasy azy, araka ny nambaran’ny depiote « Del kely » tao amin’ny fandaharana « Miara-manonja », omaly. Nambarany fa tsy nisy nanala ny maha Malagasy azy teto. « Izy tenany ihany no nanala ary nisafidy ny nanary izany », hoy izy.




