Novokarin’ny Tahirim-bola ampiasaina ho an’ny fampandrosoana (Fid) ny vovonana niomerika « M e tohy » ao anatin’ny tetikasa “Haratonaina”. Tanjona ny hanomezan-danja ireo mpisitraka efa mamokatra, hanamorana ny fampiatiana azy ireo amin’ny rohim-pihariana ara-barotra. Hita avy hatrany ao anatin’ny vovonana ireo vokatra (fambolena, fiompiana, taozavatra, sns) rehetra isam-paritra misy ny tetikasa. Sehatra ahafahan’ny mpanjifa, ny mpiara-miombon’antoka ary ireo mpisehatra samihafa mahita ireo soa fanararaotra sy azo antoka izany.
Manosika ny mpamokatra sy ny mpisehatra ho matihanina kokoa ity vovonana « M e tohy » ity, amin’ny alalan’ny tranokala www.metohy.com. Mampifandray ara-niomerika ny mpamokatra sy ny tsena mba ho tazana bebe kokoa ka mifandray mivantana amin’ny mpisehatra samihafa.
Antontan-kevitra mora raisina
Ho mora ho an’ireo mpividy sy ny mpiara-miasa ny mahazo ireo antontan-kevitra ilainy sy azo antoka. Maherin’ny 500 ny tantsaha mpamokatra hita ao, avy amin’ny faritra 22 sy distrika 64. Ahitana karazana vokatra manodidina ny 1 200 ao anatin’ny tranokala. Miantoka ny fanelanelanana azo antoka ao anaty mangarahara mba hisian’ny fifanakalozana miralanja ny Fid. Hampiakatra ny fitomboan’ny toekarena anatiny sy ny any ivelany.
Njaka A.




