Rakotomalala Marcel : nankatoavin’ny World Rugby

Afa-po tanteraka tamin’ny fitantanan-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby i Coralie Van Den Berg, solontenan’ny World Rugby, nandritra ny fitsidihana ny rugby teto Madagasikara. Araka ny tatitra izay nataony tamin’ireo mpanao gazety, omaly, teny Ankorondrano. Tsiahivina fa tomponandraikitra amin’ny fa­nohanana ny Rugby aty Afrika eo anivon’ny rafitra World Rugby Ramatoa Coralie Van Den Berg.
Nijery sy nanara-maso ny fizotran’ny fitantanan’ny Fede­rasion’ny rugby eto Madagasi­kara no tena anton-dian’izy ireo. Nilaza izy fa hatao eto amintsika ny lalao famaranana ho an’ireo ekipa 4 vehivavy. Izy ireo, izay hiady ny ho tompondakan’i Afrika sy ny hiadiana ny tapakila roa hanaovana ny lalao maneran-tanin’ny rugby amin’ity taona 2023 ity, izay mitondra ny anarana hoe WXV. Anisan’ireo hiady ny tapakila amin’izany ny XV Makis Ma-dagasikara vehivavy, Kenya, Kameronina, Afrika Atsimo.
Nohamafisin’i Coralie Van Den Berg fa mahafinaritra ny mahita ireo malagasy mijery sy mankafy tanteraka ny Rugby. Araka ny filazan-dRakotoma­lala Marcel, filohan’ny Mala­gasy rugby, hamboarina ny Kianja Makis Andohatapenaka.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: