Nivory nikaton-trano tetsy Antanimena, ny herinandro teo, ny Vovonana miaro ny fanovana mitarika ho amin’ny Repoblika vaovao (VMFR). Nametraka vina sy tolokevitra ho amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo, araka ny loharanom-baovao.
Anisan’ny nivoitra tamin’ny tolokevitra ny hametrahana fifanarahana politika eo amin’ireo antoko. « Tanjona ny hamerenana indray ny etika eo amin’ny fanaovana politika. Hamerenana ny fahatokisan’ny vahoaka ny antoko politika ary hametrahana ny hasin’ireo andry iorenan’ny Repoblika », hoy ny loharanom-baovao. Anisan’ny tolo-kevitra koa ny hametrahana tetiandro sy fanoritana ny dingana ary ireo asa atao hahatongavana any amin’ny fikaonandoham-pirenena. Anisan’izany ny fanamboarana ireo Andrimpanjakana toy ny HCC, Antenimierampirenena sy Antenimierandoholona, ny governemanta, Ceni. Mba tena ho vonona hiatrika ny fikaonandoha tsy mitanila, tsy manao kajikajy na paipaika hikatsahana tombontsoa sy mitsinjo ny vahoaka malagasy, araka ny fehin-kevitra.
Vinan’ny VMFR ny hametrahana fitoniana eto amin’ny firenena, amin’ny fananganana ny Dinabem-pirenena ho an’ny Fanorenana ifotony vaovao. “Tanjona ny hamerenana ny fitokisan’ny vahoaka ny fanjakana. Hanamafisana ny fahamarinan-toerana politika. Hampiorina ny mpitondra fanjakana ho tan-dalàna », hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Fananganana rafitra eken’ ny rehetra
Eo koa ny hiantohana ny fandraisana anjaran’ny hery politika rehetra ary ny fananganana rafitra fitantanana eken’ny maro. Manampy izany ny fandaminana ny fitantanana politika sy ny fifidianana, anisan’ny niteraka olana tao anatin’ny 66 taona.
Ho azy ireo, tsy fanovana mpitondra fotsiny no ilaina fa fanovana fomba fisainana sy fomba fitantanana ny raharaham-pirenena.
Tsiahivina fa anisan’ny mpikambana eo anivon’ny VMFR ireo mpanao politika zokiny, toy ny Monima, MFM, Arema, VITM, UNDD, vondrona Antanimena (Pam), Panorama Famoloana, vondrona Ampandrana ahitana ny PLD, Fanavaozana, Tim zokiny, Parlemantera teo aloha, KMFP, HVM, VFTM…
Synèse R.




