Mazava aloha, ankehitriny, ny zava-drehetra ho an’ny fitondrana Fanavaozana, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maka faka tsara i Madagasikara manoloana ny firenena vahiny. Miroborobo izay tsy izy ny diplaomasia. Tsapa sy azo tsapain-tanana izany, aty Afrika sy ny firenen-dehibe maro. Azo lazaina ho afaka teo ambany vahohon’ny firenen-dehibe tokana na vitsy ilay firenena. Malalaka ny safidy amin’ny mpiara-miasa.
Mahafinaritra sy mahavelombolo ilay fisokafana amin’ny firehana rehetra. Ny indrokely, misy ny afaka miaraka, misy ny mifamototra. Misy ny mifamelona fa misy ny miandry kendritohina. Samy mandrirodrirotra izay tiany ho rohitina avokoa ny firenena isanisany. Hany ka very any anatin’ny kajikajy madinidinika ny sarambabem-bahoaka sy ny mpitondra. Misy ny fitapitaka sy fandripandrika eny an-tsefatsefany eny.
Sarotra rahateo ny milalao ilay resaka diplaomatika, amin’ny ankapobeny. Tahaka ny amin’ny fiainana andavanandro ihany izy io. Tsy misy Mahita tombony 100 % anatin’ny fampirafesana izany. Na ireo mpiara-miombon’antoka aza tsy mahasahy manohana tanteraka sy feno. Tsy maintsy misy ny ahiahy sy ny fahamailoana sao lasa mitatatra ho an-drainilezafy fotsiny. Tombontsoa rahateo no katsahina sy arovana.
Ekena fa milamina ny fankatoavana sy ny fanomezan-kasina avy amin’ny mpitondra manerana izao tontolo izao. Tsy mahafehy sy mahavita mibaiko intsony ny fikambanana iraisam-pirenena. Manomboka milefitra sy manaja ny fiandrianam-pirenena malagasy ny ankamaroany. Tsy midika anefa izany fa afaka ny hiolonolona sy hidingin-drambo. Ilaina ny fanetren-tena sy ny fahaizana miondrana amin’ny sambo azo antoka.
Atsipy ihany ny teny amin’ireo mpanohana fitondrana maniratsira ny tsy mitovy hevitra. Ny Filoha aza anefa manolo-tanana ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena.
r.r




