“Efa fantatsika rehetra hoe: iza no tena ao ambadik’izao fampihorohoroana vahoaka izao? Ny tanjon’izy ireo dia ny hidiran’ny fiombonambe iraisam-pirenena amin’ny raharaha anatiny eto amin’ny firenentsika ka anantenan’ilay olona miketrika izao tetika maloto izao hiverina ao Madagasikara”. Io ny hafatry ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, ho an’ny vahoaka malagasy tamin’ny fihaonany tamin’ireo teratany malagasy monina any Egypte, afakomaly. Manoloana ny fampihorohoroana amin’ny fangalarana sy famonoana olona eto an-toerana, mba tsy hanaiky handairan’ireo vaovao aparitak’ireo kaonty miafina anarana amin’ny tambajotran-tserasera. Efa misy ny fandraisana andraikitra isan-tokony hifehezana ny raharaha: “task force”, ivom-pibaikoana amin’ny fikarohana sy fanenjehana ny olon-dratsy, ny andrimasom-pokonolona.
Handraisana vahaolana haingana ny vatsim-pianarana ho an’ireo Malagasy any an-toerana. Ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa no hisahana ny amin’izay hanatsarana ny fanampiana isan-taoana ho azy ireo.
Nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Alice N’Diaye, sy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra sy ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Andriamampiadana Mahefa, kosa fa ao anatin’ny tapa-bolana no haroso amin’ny filankevitry ny minisitra ny volavolana didim-panjakana hamerana ho folo taona ny faharetan’ny pasipaoro. Momba ny hisian’ny masoivoho any an-toerana, nambaran’ny filoha fa amin’izao fitsidihana ofisialy izao no handinihina an’izay. Azo atao ny manendry konsily am-boninahitra ilana ny fanapahan-kevitry ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy.
R. Nd.




