FANTINA sy FINTINA

Nitondra valin-kafatra ho an’ny mpiasan’ny CUA ny minisitry ny Atitany. “Ny fahafahan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana tsirairay no mametra ny tambin-karama ho an’ny trano fonenana », hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefa­na, Rakotonan­drasana Hanitra Velonjara Tiaray, teny Anosy, omaly.

Andraisana lesona ny tranga nisy teto amin’ny firenena, araka ny nambaran’ireo firaisamonim-pirenena, manao fikaonandoham-paritra etsy Ankerana. « Tanjona ny hirosoana amin’ny fanavaozana. Hanao tombana koa izahay raha nahavita namaly ny hetaheta sy nijery ny tombontsoa iombonana », hoy izy ireo. Hifarana anio izao fikaonandoha izao.

Efa eo am-panomanana ny fanavaozana ny pasipaoro ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny minisiteran’ny Fitantanam-bola ary ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra. Anisan’ny fanovana kasaina hatao ny fanitarana ny faharetan’ny pasipaoro ho 10 taona, raha 5 taona izany amin’izao fotoana izao.

Nilaza ny pasitera Mailhol fa efa maro ny mpanohitra azy na tsy mbola filoham-pirenena aza ny tenany. Nohitsiny fa diso fahavalo ireo manenjika azy. « Tsy hanohitra fanjakana na oviana na oviana izahay », hoy izy tamin’ny fanatrehany ny fanombohan’ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora.

Partager sur: