Filoham-panjakana, Randrianirina Michaël: « Ilana fahasahiana ny miteny ireo vahiny mpandraharaha »

Hentitra sy nahitsy ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël manoloana ireo vahiny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny herinaratra. Anisan’ny nivoitra tamin’ny fihaonany amin’ny Malagasy miasa sy monina any Egypte izany, afakomaly.

Nambarany fa misy dikany matoa tsy nahasahy niteny momba ireo vahiny mpandraharaha sady matanjaka, misahana ny herinaratra, ireo mpitondra hatramin’izay. « Naninona aho no niteny an’iny farany teo? Sa te hamono tena aho na tiako hikorontana ny firenena? Tsy nisy mpitondra sahy nanao tahaka iny nataoko iny. Tsy maintsy miroso sy sahy ary ilako ny fanohanan’ny vahoaka izany. Ilaina ny fahasahiana miteny ireo vahiny mpandraharaha ireo », hoy izy.
Nanteriny fa efa niezaka nividy vatan’angovonaratra lafobe ny fitondrana hampiakarana ny herinaratra any Toa­masina mba hampilamina ny jiro. Nampidininy anefa izany ary mijaly ny mponina, rehefa nandao an’i Toamasina ny tenany, araka ny nambarany hatrany. Nohitsiny fa tsy faly amin’ny ezaka sy fahasahian’ny mpitondra ny sasany amin’ireo mpandraharaha ireo.

Traikefan’ny Ejipsianina

Tsiahivina fa efa nigadona omaly, teny Ivato, ny filoham-panjakana sy ireo delegasionina niaraka taminy avy any Egypte, nandritra ny telo andro.
«Ilaintsika ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ny Ejipsiani­na. Miorina ambony taningazana ary tsy misy rano nefa mahavita fambolena goavana. Tsy misy olana ny rano ary mandeha ny jiro. Tena ilaina ny fifanakalozana», hoy izy tamin’ny mpanao gazety, teny Ivato.
Natsidiky ny filoham-panjakana fa maromaro ireo mpandraharaha Ejipsianina ho avy, hampiasa vola eto. Eo am-pananganana tanàna vaovao hatao Renivohitra izy ireo izao ary hijery ny fomba hanatanterahina izany aty amintsika, araka ny nambarany hatrany.
Araka izany, hanamafy ny fifandraisana eo amin’ny toekarena sy indostria ary koa ny fambolena. Ny rano fisotro miaraka amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fandraharahana izao dian’ny delegasionina, tany Egypte izao.

Synèse R.

Partager sur: