Manolotra ny ainy

Nahoraka, omaly, ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana fa mamono tena izy miady amin’ireo mpambotry firenena. Anisan’ireny ireo mpandraharaha goavana, manao ampihimamba ny harem-pirenena sy fitazomana ny sehatra iankinan’ny ain-dehiben’ny Malagasy. Raha tsiahivina, tapitra omaly ny fe-potoana nomeny ny Enelec, amin’ny olan’ny jiro sy rano amin’ny faritra izay hiasan’izy ireo. Aiza ho aiza tokoa ny ezaka fanatsarana vita? Aiza ho aiza ny andraikitry ny fanjakana?
Miandry ny fivoaran’izany, anatin’ny mangarahara, ny vahoaka. Iaraha-mahalala fa tena mampiteny ny moana indray ny zava-misy sy iainana ankehitriny. Miverina ny delestazy izay nitolomana sy niandrandrana fanavaozana. Ny andavanandrom-piainana no nilaina fanatsarana fa tsy ny olona no ovaina. Midika fa zava-dehibe ny fanambarana sy ny fahasahiana indraindrain’ny kolonely Randrianirina Michaël. Ny vokatra azo tsapain-tanana sisa andrasana.
Ampy ny serasera sy ny filalaovana toe-pon’ny Malagasy. Asa amin’izay izao! Ny vahoaka rahateo mazoto vao ny mahakasika azy no resahina sy hanomezan-toky. Tsy misy tokony hatahoran’ny filoha izay resaka « mafia » sy ny fampihorohoroan’izay ho very fihinanana any. Manamboninahitra mamim-bahoaka rahateo izy matoa nametrahana fitokisana hitarika ny tetezamita. Tsy natao ho an’olona sadasada mihitsy ny fitantanana ity tany masina ity. Mila fahasahiana sy fijoroana amin’ny maha izy azy.
Indroa miantaona izay ny filoha no nanipy teny mahakasika ity fahafoizan-tenany ho sorona amin’ny fitiavana ny tanindrazana sy ny Malagasy ity. Tsy tokony hatao raraka an-tany ny finiavany manolotra ny ainy. Tsy mbola nisy nahasahy namerimberina izany ny filoha nitondra teto, ankoatra ny mpitolona tia tanindrazana tamin’ny andron’ny Menalamba. Tsy tokony havela hiady irery izy, mila tohan’ny vahoaka malagasy.

r.r

Partager sur: