FANTINA sy FINTINA

Tsy midika ho fahatahorana an-dRavalo­manana Marc ny nandraisan’ny filohan’ny Fana­vao­zana azy teny Iavoloha, araka ny nambaran’ny depioten’i Betroka, Randrianasolo Nicolas, omaly. Namba­rany fa fihetsika natao ho amin’ny fitoniana sy ho an’ny tombontsoam-pirenena izany, miaraka amin’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery.
Mitaky mpandika teny rehefa fotoan’ny fampielezan-kevitra ireo manana olana amin’ny fihainoana, araka ny fanehoan-kevitr’izy ireo teny amin’ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora teny Ivato, omaly. «Tsy misy azonay ny heviny fa lasa mifidy sary izahay rehefa tonga ny fifidianana. Mba te hampandroso ny firenena iaraha-manana koa izahay», hoy izy ireo.
Mafana ny adihevitra eny amin’ny CCI Ivato. Nambaran’ireo tanora, solontenan’ny faritra Atsimo Andrefana fa tsy mbola misy ny fanapahan-kevitra nolaniana, amin’ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora, eny Ivato. «Mizotra soamantsara izany. Nisafidy ny fametrahana fanjakana federaly kosa anefa izahay», hoy izy ireo.
Hatolotra amin’ny fomba ofisialy, anio, eny Ivato ny fehin-kevitry ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora. Lohahevitry ny fihaonana nandritra ny efatra andro nanatanterahana izany: «Ny feontsika no hanova ny hoavy». Nifampihaino sy samy nitondra vahaolana amin’ny sehatra marolafy izy ireo.

Partager sur: