Karate-Afrika 2026 : Miantso fanohanana ny federasionina

Anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Alger, ny 7 hatramin’ny 13 septambra izao, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja karate. Ma­vesatra ny hoenti-manana amin’izany satria mpikatroka 18 no vonona handray anjara. Izany indrindra no hanaovan’ny Federasionin’ny karate-do malagasy antso, miaraka amin’ny fikambanan’ny ray aman-dreny sy ireo atleta, amin’ny hanohanana azy ireo.
Zava-dehibe ny fiatrehana ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity satria sady hitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Chine, ny 20 hatramin’ny 22 novambra izany. Izay telo voalohany no hahazo tapakila amin’izany. Manodidina ny 13 tapitrisa Ariary ny fandaniana ho an’ny atleta iray, izay andoavana ny tapakilan’ny fiaramanidina, fisoratana anarana, fiantohana, “accréditation”,  fivahinianana any an-toerana sy sakafo.
Mitodika amin’ny fitondram-panjakana, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena,  ireo orinasa afaka manohana sy izay rehetra malala-tanana,  araka izany, ny FKM sy  ny fikambanan’ny ray aman-dreny ary ny atleta. Voninahi-pirenena no harovana, hoy ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Emile.

Mi.Raz

Partager sur: