Fikaonandohan’ny tanora : “Hatolotra ny FFKM ny fehin-kevitra”, hoy ny Kly Randrianirina Michaël

Nifarana ny sabotsy teo ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora, natao teny Ivato. Nisy ny hafatra nampitain’ny filohan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, tamin’izany.

Notsiahiviny fa tsy misy ny fanavaozana raha tsy miaraka amin’ny tanora. Anisan’izany ny tolona natao tamin’ny taon-dasa, niarahana tamin’izy ireo ka namadihana ny pejin’ny tantaram-pirenena. « Ankehitriny anefa, ampirisihiny sy ampiasainy hanakorontana ny fanavaozana ianareo. Aoka tsy hanaiky holalaovin’ny mpanao politika isika », hoy izy. Nambaran’ny filohan’ny Fana­vaozana koa fa maro amin’ireo tolokevitra nentin’ny tanora no efa mifanaraka amin’ny lalàna sy ny vina arahana amin’izao fotoana izao. Mitaky fahasahiana sy loharanom-bola anefa ny fanatanterahana izany, araka ny nambarany. Nanome toky ny tenany fa harovana sy harahina akaiky ireo fehin-kevitra nentin’ny tanora ireo.
Etsy andaniny, niantso fahavononan’ireo tanora hisolo tena azy ireo amin’ny dinika politika, hotanterahina tsy ho ela ny filoham-panjakana. Natsidiny fa hanao fakan-kevitra amin’ireo mpanao politika ny tenany ary tsy ho diso anjara amin’izany ny tanora. Nentaniny hatrany ireo tanora mba ho vonona ho amin’ny tena fanavaozana. «Mila manova toe-tsaina isika raha hametraka ny fanovana », hoy izy.

Teboka 61
Tsiahivina fa nisy teboka 61 mirakitra sehatra marolafy ny fehin-kevitra navoakan’ny tanora. Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fanehoana ny hetahetan’ny tanora sy ny vina nentin’izy ireo ho fanohanana ny fanavaozana sy ny fampandrosoana ny firenena. Manamarika izany ny fandravana ny Antenimieram­pi­renena, ny Ceni. Ny hampidirana anaty Lalàm­pano­renana ny fokontany ho rafitra eny ifotony. Ny hanavaozana ny lalàm-pifidianana, ny fanomezan-danja ny fampianarana, sy ny rafitra itondrana ny Repoblika. Nanolo-kevitra momba ny sosialy sy ny toekarena, ny kolontsaina ary koa ny tontolo iainana ireo tanora.

Synèse R.

Partager sur: