Somary nangingina tato ho ato ny zaza sy ny olon-dehibe very. Ny hita sy ny mody ho azy izao no maro an’isa. Nahomby ny fotoam-bavaka natao tetsy Analakely, nandroahana ny devoly nakany ivelany. Maika manaporofo izany ny fahasahiana nataon’ny fitsarana nisava sy nanagadra ireny olona anatin’ny fikambanana miafina ireny. Miaraka amin’ny famakiana bantsilana ny vaovao araka izay tratra. Mbola nohamafisina tamin’ny sary sy ny feo mihitsy izany.
Etsy ankilan’izay anefa, nahazo vahana koa ny seraseran’ireo fikambanana samihafa, voatonontonona tamin’ny resaka sorona sy halatra olona. Mazava ny fanambarana fa tsy misy zava-dratsy na afenina izy ireo. Mihevitra azy ho toy ny fikambanana rehetra fotsiny, ary manana fomba fiaina tsy tia sehoseho. Mitsipaka marindrano ny fiampangana ny ankamaroany ary manao antso avo amin’ny fampitsaharana izay fomba mamohehitra. Indrindra ny fandripahana ny mpiray tanindrazana sy ny tsy manan-tsiny.
Tsy hiadian-kevitra lalina izay foto-pinoana sy ny firehana misy ny tsirairay fa ho lasa fototr’olana vaovao, ampiady ny samy Malagasy etoana indray. Efa hita sy iaraha-miaina rahateo ny fisian’ny vondron’olona mikendry ny ampisara-bazana ny Malagasy, mba hahafahana manjaka tokana. “Zarazarao anjakana!”. Ny azo ambara aloha, tafiditra anatin’ny ady am-panahy goavana ny vahoaka malagasy. Efa mihoatra ny olana sosialy sy toekarena ary politika i Madagasikara. Loza mitatao ho an’ny firenena izany.
Amin’ny trangan-javatra tahaka izao no maha zava-dehibe ny tsy fampifangaroana ny zava-panahy amin’ny fikatsahana ny harena sy fahefana an-tany. Izao ihany koa no vokatry ny fahavetavetana amin’ny finoana sy ny fijangajangana eo amin’ny fiainam-panahy. Mivaralila ny zava-drehetra rehefa diso betsaka loatra ny fifangaroana eo amin’ny zavatra tsy tokony hiaraka. Tsy misy miiba afaka mifangaro amin’ny miiabo izany. Mila mahay misafidy tsara izay hinoany ny Malagasy fa tsy misababaka. Hoy ny Ntaolo hoe : « ny hery tsy mahaleo ny fanahy », koa tsy tokony ho baikoan’ny loha fotsiny fa hanome vahana ny fahaiza mandanjalanja.
r.r




