Filoha nasionalin’ny MMM : « Aoka isika tsy hanaiky hozarazaraina… »

Nitohy tany amin’ny faritra Vatovavy, natao tao Ma­nanjary ny fikaonandohan’ny antoko Malagasy miara-miainga ny faran’ny herinandro teo. Naneho ny tanjany sy ny heriny ity antoko ity tany an-toerana ary mbola nanamafy hatrany ny fametrahana ny « Faritra mahazaka tena ».
Nahitsy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, tamin’ny lahateniny. « Tsy azo zarazaraina ny Malagasy, ary tsy fanaovana kajikajy politika ny fikaonandoham-pirenena fa fitadiavam-bahaolana ho amin’ny tombotsoa iombonana ka aoka isika tsy hanaiky hozarazaraina », hoy izy. Nanteriny fa misy tsy fahaizana tantara sy ny fampiadiana ao. Mbola misy miketrika ary mihevitra ny hampizarazara sy finiavana hampiady fa tsy ho amin’ny famondronana ny Malagasy, araka ny nambarany. Nanteriny hatrany ny fotokevitra ijoroan’ ny antoko ary tolokevitra ho entina amin’ny fikaonandoham-pirenena ny hametrahana ny « Faritra mahazaka tena ». « Omena ny faritra ny fahefahana ahafahany mandroso. Zarao ny fahefana amin’ny fitantandraharaham-panjakana amin’ny fanendrena tomponandraikitra. Mila fahaleovantenam-pitantanana ny faritra », hoy izy.
Etsy andaniny, nitodika amin’ireo tanora ny filoha nasionalin’ny MMM ka na­nambarany fa tsy tokony hanaiky atao fitaovana izy ireo ka hivaona amin’ny tolona natao. « Zava-dehibe ny fandraisana andraikitry ny tanora amin’ny fanavaozana. Ny hoaviny sy ny filany ary ny vina. Betsaka ny tokony havaozina momba ny Andrimpanjakana. Tena mamaly ny fanovana sy ny filan’ny vahoaka ve ? Hifampidinihana ny lafim-piainan’ny tanora… », hoy izy.
Tsiahivina fa samy nitondra ny hetahetany sy ny olana ireo mpizaika. Anisan’izany hanatsarana ny fanaovana politika, ny fepetra, ny fampiharana ny sazy…

Synèse R.

Partager sur: