Nifarana omaly, teo amin’ny Kianjan’Alarobia, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja atletisma, sokajy tanora. Nanjakan’ireo atleta avy ao amin’ny ligin’Atsimo Andrefana tanteraka ny fifanintsanana nasionaly ary izy ireo no nitana ny laharana voalohany, rehefa nandrombaka medaly miisa 41 volamena, 18, volafotsy 8 ary alimo 15.
Nihonona amin’ny laharana faharoa kosa, ny atleta avy eto Analamanga, mpampiantrano. Raha ny vaovao voaray, nahatratra, 58 ny medaly azon’izy ireo, ka ny 17 volamena, ny 23 volafotsy ary 18 isa ny alimo. Fahatelo kosa, ny avy ao Atsinanana, izay nandrombaka medaly, 38 isa, ka ny 15 volamena, ary ny 11 volafotsy ary ny 12 alimo.
Nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Atletisma (FMA), Andriamahazo Norolalao, fa niakatra ny lentan’ireo atleta tanora tamin’ity ary nitombo ihany koa ny taham-pahavitrihina.
Fitia Randria




