Fikaroham-bahaolana : Hiverina hihaona ireo filoha telo mirahalahy

Nifanotrona tamin’ny filohan’ny Fanaovazana ny Re­poblika, Randrianirina Mi­chaël, mivady, niara-nivavaka tany Ankaramalaza ny ala­hady teo, ireo filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Nidera ary nisaotra azy ireo tamin’ny fahatongavany ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël tamin’ ny lahateniny. « Efa nihaona izahay ireo tany Antananarivo. Mihaona eto indray izahay izao ary mbola hisy tohiny izany fihaonana izany ary tsy ho ela intsony », hoy izy. Tafiditra amin’ilay antsoina hoe : « Dinika politika ».
Nanambara kosa ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, fa fahaizana mifankatia sy manetry tena hihavana no nahatongavany nanotrona ity fotoam-pivavahana ity. « Ho­entina amin’ny finiavana sy fitiavana miaraka amin’ny finoana ao anatintsika izany », hoy izy.
Ho an’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, nanteriny fa fanovozana hery no anton-diany tany Ankara­ma­laza. Eo koa ny fanompoam-pirenena sy ny hampandroso ny firenena araka ny resaka nifanaovany tamin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika. « Nisy fotoana tsy taty ary izao miverina aty izao indray », hoy izy.
Tsiahivina fa nomarihina tamin’io fotoana io ny fankalazana ny jobily faha-85 tao­nan’ny Fifohazana ao amin’ny Tobilehibe Ankaramalaza. Notokanana tamin’izany koa ireo mpiandry miisa 600 mahery ary mitondra ny anarana « Mampionona ». Nita­rika ny fotoana ny filohan’ny FLM, ny Rev. Rakotozafy Denis. Notolorana fanomezana ta­min’izany ny filoham-panja­kana mivady.

Synèse R.

Partager sur: