FANTINA sy FINTINA

Vahaolana natolotry ny antoko MFM ny fanomezana lanja ny faritra ho masi-mandidy. « Tsy maintsy fidiana ny filohan’ny faritra ary haverina ho
28 ny faritra, araka ny tolokevitry ny « Mafana », fony fahavelon’ny mpanorina, Rakotonirina Manandafy », hoy ny mpikambana eo anivon’ny MFLM, Randrianin­drina Ignace na « Ramasy ».
Natolotry ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Raza­fimanantsoa Hanitra, omaly tetsy Antaninarenina ny fehinkevitra avy amin’izy ireo. Efa natolotra ny Pri­ma­tiora izany ary homena dika mitovy koa ny FFKM, mba hahafahany mandray sy mampiditra ireo antontan-kevitra sy soso-kevitra ao anatin’izany.
Ny fanomanana ireo fihaonambe iraisam-pirenena ho avy toy ny an’ny Sadc sy ny fikambanambe iraisam-pirenena (ONU). Anisan’ny asa miandry ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ireo, araka ny nambaran’ny minisitra, N’Diaye Alice, omaly tamin’ny fanan­ganan-tsaina tetsy Anosy. Teo koa ny tatitry ny diany tany ivelany.
Hotanterahina eto amintsika ny fivoriamben’ ny Sadc, andiany faha-59. Hatao ny 22 hatramin’ny faha-29 aogositra izao izany. Nanentana ny mpiasan’ ny Antenimiera rehetra ny filohany, Randrianaso­loni­aiko Siteny mba hiezaka ho fahombiazana, indrindra mba hanehoana fa mahay mandray vahiny. « Omen-danja ny fahadiovana sy filaminana », hoy izy.

Partager sur: