Tena mahita atao mihitsy ny Malagasy mpanao politika amin’izao fotoana izao. Isan’andro vaky tsy maintsy hahenoana resabe. Misy ny matotra, misy ny misavoamboana fa ny zavatra itovizany : ny vahoaka hatrany no mandray ny kihony. Anisan’ny nanaitra ny ranty tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika volabe an-jatony tapitrisa Dolara. Vola natokana ho an’ny traboina tany Toamasina, hono, dia nanjavona avokoa. Tsy nisy niangana fa lanin-dry zalahy ? Asa re !
Mahazo vahana ny mpanohitra ny fitondrana fanavaozana, andaniny. Mipi-kelika mihitsy, zara aza mahita horohitina sy hanomezan-tsiny. Hikoaha-maina aza atao tokoa, maika fa mahita hirika. Efa ela rahateo no niandrasan’ny « forongony » izany ho fahatapahan’ny famatsiam-bolan’ny banky sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena izany. Io no heverina fa hery ho enti-manery ny ekipan-dRakolonely, hampiditra ny ekipa amin’ny fiaraha-mitantana. Mazava ho azy fa misy ny fifamelana.
Etsy ankilany, tsy mampihetsi-bolomaso ny fitondrana ny fanenjehana sy ny fivoizana vaovao mahametimety ny tsirairay. Ny atao ihany no ataony, ny asany ihany no vitaina, dia miandry ny fitsaran’ny vahoaka azy. Mbola milalao ny fikaonandoham-pirenena. Mitarazoka rahateo ny fanatanterahana azy. Miandry ny fanendrena olona izao no dingana vao manomboka. Ankoatra izany, manatitra ny fehin-keviny eny amin’ny FFKM ny minisitera nahavita ny fikaonandohany.
Manoloana ny fihetsiketsehana isan-karazany, manao rano lava ny fahatongavan’ny vahiny eto Madagasikara. Mamita ny iraka amin’ny fanaovana tombana mahakasika ny fandehan’ny raharaham-panjakana. Miroso tsikelikely amin’ny fanerena ny fampihavanana ny samy Malagasy. Hahay ilay hoe ny entan-jaraina mora zaka amin’ny raharaham-panjakana. Tsy ferana aloha ny fizaran-tseza fa ny zava-dehibe dia ny rehetra samy mitondra ny anjara birikiny ho an’i Madagasikara.
r.r




