Efa afaka tsidihina ny tranonkala e-Soratra, hahafahana manatanteraka ny fisoratana anarana ana habaka, ho an’ny lisi-pifidianana, araka ny vaovao navoakan’ny Ceni (Commission Electorale Nationale Indépendante), tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Tsy voatery ho eny anivon’ny fokontany, araka izany, ny olom-pirenena, vao afaka manao izay fisoratana anarana ao anaty lisim-pifidianana izay fa na aiza toerana misy ny tsirairay dia azo hatao izany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry. Tsotra ny fampiasana azy, satria miditra ao amin’ny Tranokalan’ny Ceni ka ampidirina ny hoe « e-Soratra » ary misy taratasy nomerika fenoina. Tsy avy hatrany dia tafiditra anaty lisitra anefa aorian’ny famenoana io taratasy niomerika io fa mbola misy fanamarinana atao. Mbola homen’ ny Ceni ny eny amin’ny fokontany misy ilay olom-pirenena izany, ka hamarinina raha toa ka tena monina eny. Tafiditra avy hatrany ao anaty lisim-pifidianana ilay olom-pirenena aorian’izay.
Tsiahivina, ny 28 jolay lasa teo no nisokatra ofisialy ny fisoratana anarana anaty lisitry ny mpifidy. Teny Talata Volonondry no nisantarana izany. Manana efa-bolana ny olom-pirenena hanefana ity fisoratana anarana ity, araka ny toromarika avy amin’ny Ceni hatrany.
Mi.Raz




