Nodisoin’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimamantsoa Hanitra, ny feo miely tato ho ato. Nanteriny fa tsy misy izany ambara ho fisian’ny disadisa eo amin’ny FFKM sy ny fitondram-panjakana izany. «Samy manana ny andraikitra nankininy aminy avy izahay amin’ny fikaonandoham-pirenena», hoy izy.
Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry omaly ny mpanao gazety, Razaka Oliva. Mpikambana teo anivon’ny mpanao gazety zokiolona ary matihanina sady olom-panjakana, ambony. Efa mpanolotsaina tao amin’ny Filankevitry ny fampihavanana (CFM) ary mpiandry ao amin’ny toby lehibe, Soatanàna FFPM koa.
Mitaky ny hametrahana rafitra federaly ny vondrona fedaralista any amin’ny faritra, Sava, araka ny fanambarana nataon’izy ireo, omaly tany an-toerana. Natsidik’izy ireo koa fa hofidiana ny Lalàmpanorenana ka tokony ho roa na telo no hosafidian’ny vahoaka. Notakian’izy ireo ny tsy hanaovana ny fikaonandoham-pirenena eto Antananarivo.
Anisan’ny tena mampatahotra ny olona ny momba ny resaka fitsarana, araka ny nambaran’ny Pr Ratsimabazafy Jonah. Nanteriny fa sarotra ny hampandroso firenena rehefa ny fitsarana no ahitana kolikoly na tsy mibaribary aza. « Sahirana ireo tsy mba namany rehefa manao kolikoly ny mpitsara », hoy izy.




