Hanomboka anio alarobia, any Abidjan Côte d’Ivoire, ny andiany faha-25 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Afrobasket”, sokajy U18 lahy sy vavy. Ho an’i Madagasikara, handray anjara amin’ny lehilahy ny Ankoay. Hisantatatra ny fihaonana amin’ity andro voalohany ity izy ireo ka hifanandrina amin’i Gabon, ao amin’ny vondrona “B”. Hifandona amin’i Maroc kosa ho an’ny andro faharoa ny zoma ho avy izao ary hamarana ny fifanintsanana amin’ny voromaherin’i Mali, tompondaka farany. Tsiahivina fa 12 ireo firenena mifaninana miady ny lohany amin’ity. Nozaraina ao anaty vondrona telo ahitana ekipa efatra avy izy ireo. Tafita avy hatrany any amin’ ny dingana ampahefa-dalana ireo roa voalohany isam-bondrona miampy ireo ekipa roa mitana ny laharana fahatelo tsara toerana indrindra. Tsiahivina fa ao amin’ny sokajy “A” ny Elefantan’i Côte d’Ivoire mpampiantrano miampy an’ny Faraonan’i Egypta sy i Nigeria ary i Tchad. Ny vondrona “C” hahitana an’i Cameroun sy i Tunisie, Rwanda ary i Senegal.
Tompondaka




